Kristianisma nikeana

Ny kristianisma nikeana na kristianisma niseana dia ny firehan' ny fivavahana kristiana taloha nipoitra avy tamin' ny kônsily voalohany tao Nikea na Nisea.

Ny kristianisma nikeana dia trinitariana ka mamaritra ny fampianarany amin' ny fampifanoherana izany amin' ny arianisma na ny kristianisma hômeana. Nanjary fivavaham-panjakana ny kristianisma nikeana tamin' ny taona 380 tao amin' ny Empira Rômana (izany hoe taonjato iray taorian' i Armenia, fanjakana voalohany nandray ny kristianisma ho fivavaham-panjakana) rehefa namoaka lalàna nanafoana ny fanompoam-pivavahan' ny mpanompo sampy i Teôdôsiosy I sady nandrara ny fihetsika sy ny fanaon' ny tsy kristiana teo amin' ny Empira.

Ny fifanoherana nisy teo amin' ireo firehana roa ireo dia naharitra taonjato maro, ka niseho tamin' ny alalan' ny fifanoherana ara-pôlitika izany matetika: ny hômeisma dia noraisin' ny ankamaroan' ny mpitondra ny fanjakana barbariana taorian' ny toritenin' i Volfila (Wulfila) fa ny Kristiana avy amin' ny tontolo tsy barbariana, indrindra ny olona ambony rômana dia nandray ny kristianisma nikeana. Nihanahazo vahana ny kristianisma nikeana noho ny asan' ireo eveka nikeana nanana fahefana matanjaka izay matetika avy amin' ny sarangan' ny olona ambony ao amin' ny Loholom-panjakana, izay nanaraka ny fampianarana nofaritan' ny kônsily tao Nikea tamin' ny taona 325.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search